<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>734</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Zanahary ô, tahio
 ny Tanindrazanay
 Handroso lalandava,
 Handry fahizay.
 Enga anie hanjaka ao
 Ny saina mahay miray,
 Dia ho tany sambatra,
 Ilay Madagasikaranay.

[V2]
 Ireo mpitondra anay
 arovy lalandava koa
 Tolory saina hendry,
 kinga sy mahay.
 Ka ny marina anie no
 mba hanjaka ao tokoa,
 Dia ho tany sambatra
 Ilay Madagasikaranay.

[V3]
 Ny taranakay tahio ho
 vanona tokoa ;
 Ireo no solofo, dimby,
 rahatrizay
 Mba ho tena mahatoky,
 Feno fahendrena koa,
 Dia ho tany sambatra
 Ilay Madagasikaranay.</lyrics>
<title>Zanahary o tahio ny tanindrazanay FFPM734</title>
</song>